TSY HIJANONANA NY TOLONA ETO AMIN’NY MAGRO FA VAO MAIKA HAMAFISINA IZANY

sandros28Nitohy teny amin’ny Magro behoririka androany ny hetsiky ny mpomba ny movansa Ravalomanana. Toy ny mahazatra dia nisy ny lahateny nifandimbiasana nataon’ireo mpitraika. Anisan’ny nandray fitenenana tamin’izany Manitra izay mpanentana teny ankianja. Nambarany fa tsy hijanonana ny tolona eto amin’ny Magro fa vao maika hamafisina izany. Ny zavatra fantantsika dia ny fiverenan’ny filoha Ravalomanana eto. Maro no notakiana tao anatin’ny tondrozotra toy ny famoahana ny gadra politika, ny fanokafana ny radio nakatona, ny famerenana ny sesi-tany politika.Manamarina ny fitondrana ny fametrahana ny lalàna.

Faly aho hoy Sandros raha  naheno ny vaovao tamin’ny gazety fa misy iraka nalefan’ny filoha Ravalomanana rahampitso hanomana ny fodiany. Ny fanaovantsika politika dia ny saina no miasa fa tsy ny fo no ankelezina. Tamin’ny voalohany isika dia maro dia maro no tonga teto an-kianja, ary ankehitriny dia somary vitsivitsy. Noho izany dia manainga antsika rehetra ho tonga maro fa efa kely sisa dia ho avy I dada satria efa lasa lalàna ny tondrozotra. Mila miray hina isika, manambatra ny hery. Momba ny zavamisy eny Tsimbazaza dia nambarany fa manana depiote 21 isika. Matoa ireny olona nofodin’ny disitrika tsirairay avy dia noho ny fahendrena. Tokony hirehareha isika manana azy ireo, matoky tanteraka ireo isika. Ny fahatongavantsika maro no hahatongavan’ny filoha Ravalomanana haingana eto.

feno28Nanomboka teny Ambohijatovo isika hoy Fenomanjato ka hatramin’izao dia nanana tanjona dia ny fitiavan-tanindrazana miaraka amin’ny filoha Ravalomanana. Isaorana ny mpiara mitolona fa tsy nivoana amin’ny tanjona ary isika izao no vavolombelona amin’izany. Mino aho fa tsy misy hivadika amin’ny velirano izay natao. Izay fitaivan-tanindrazana izay dia mifototra amiin’ny finoana.

eric28Isan’andro isan’andro isika hoy Eric dia mangataka ny fampihavanana tena izy sy fitoniana  amin’ny mpitondra. Na izany na tsy izany , ho antsika rehetra dia ohatra ny mpitaribato vilambava isika eto raha tsy atombontsika ato izany fampihavanana izany. Noho izany dia mba vahoaka miray hina ny vahoakan’ny Magro ary miara miasa, izay no anjarantsika tsirairay avy.

manoela28Andriamatoa Manoela dia nilaza fa ny làlana aleha dia tsy miova hatramin’ny farany izay niaretana dimy taona. Namaly ny voalazan’ny gazety mpiseho isan’andro iray eto andrenivohitra ny tenany, tsy fombanay ny mangatam-bola, fa ny hangatahany dia ny fiverenan’ny filoha Ravalomanana, izay no vola miditra ao am-paosinay. N’inon’inona zavatra mitranga dia jerena ambony ambany ary isika tsy mba manenjika olona izany fa ny antsika dia rehefa movansa Ravalomanana dia tazony hatramin’ny farany izany.

henri28Raha natao hoy Henri ny fanamasinana ny Papa roa omaly dia fampihavanana. Ao anatin’io dia misy fifamelana. Io no manomboka tsy tantin’ny sasany satria hihavana ny sasany dia tsy zakany. Misy ny mampiady antsika amin’ireo depiote, saingy efa fantatra ireny olona mampiady ireny. Aza ampitoviana ny movansa Ravalomanana sy ny antoko Tim. Ny movansa Ravalomanana dia vondrona manohana ny filoha Ravalomanana ary ny antoko Tim dia antoko politika. Aoka tsy ho taitaitra. Hatramin’izao isika tsy opposition na misy manosika antsika ho amin’izany aza. Mety efa nisy resaka angamba tany ivelany  tany toy ny vondrona afrikana, eoropeana, sadc, izay tsotra ny tenin’ireo hoe hankatoavy ny tany tan-dalàna dia tanterahana ny tondrozotra.Tsy ilaina ny mitratrevatreva fa isika dia olon-kendry ka tsy hanao zavatra kitoatoa, ka rehefa tonga ny filoha Ravalomanana dia hitondra azy eny Ambohitsorohitra, fa isika manaran-dalàna.

27 pensées sur “TSY HIJANONANA NY TOLONA ETO AMIN’NY MAGRO FA VAO MAIKA HAMAFISINA IZANY”

  1. NY TENA TANJONA ATRAMIN’IZAY DIA NY FANOHERANA NY FANONGANAM-PANJAKÀNA, SATRIA FANTATRA NY VOKATR’IZANY !

    INONA NO ZAVATRA HITA ?? FAMITAHAM-BAHOAKA !! FAMITAHANA NY FILOHA RAVALOMANANA SY NY VADY AMAN-JANANY !
    TSY FANAOVANA PAOLITIKA SY FAMPISEHOANA FITIAVAN-TANINDRAZANA, FA FITIAVAN-TENA ARY TENA FANOHANANA AN’IREO FAHAVALOM-PIRENENA !!!

    Dia ahoana itony ?

    http://www.tananews.com/asides/tim-vers-la-reintegration-des-usurpateurs/

    Dia mba omeo eto raha tena mpitarika mazàva saina sy mpiaro ny ara-dalàna ianareo, ny anaran’ireo nilaza zavatra tahak’izao : « OLONA TSY HO TAFODY ANY VE, NO HANAKIHINANAY NY HOAVIN’NY FIAINANAY » ???

  2. tandremo fa le tananews ko nge efa mivadika fozaorana e!!!mampiady fotsiny!!!iza ko rangahy no hiray latabatra politika @ndry vakitampona,ry lavaorona,ry apongabendanitra,ry tanora hvm,ry hery tsisy saina,ry be tamponkandrina(meme),ry ngolo mpanao kolikoly!hiiihihiii aza mampme an!

  3. « OLONA TSY HO TAFODY ANY VE, NO HANAKIHINANAY NY HOAVIN’NY FIAINANAY » i hery tsisy saina no mpiteny an’io!!!!! vakitampona koa!!!!! mba teneno mivantana eto zay hitanareo hafa miteny an’io fa lasa hampiadian’ny foza fotsiny eto!!!

  4. wawawa sy mivovo fotsiny no natao dimy taona kou we hoy a hoy, tatasika tsisy farany , efa hoe andraso eo paoly ra mbola zany Dadanareo zany no andrasana eto eeeeeee, de aza mijanona mitolona e, tonga fona ao @ Magro nga eo mou misy manaka anareo e, bebeanay fotsiny no tsis atao de makany fona kou, zarany aza mba misy analana azy , sady ao kou sisa mba toerana hifaneraseran ny Radadabe sy Rabebe kou, hihi, mampalahelo kely, zany fona no naverimberina depuis 5 ans, dada moudy, ts manaiky zahay e, patati patata e, nefa ze tambazan olona seza kely de mandaka ambava-fo andra-Valo, ny tenanao iany no mampody anao vo tafody eto enao ra8 an, ra mbola ireo mpitarika reo de vava fotsiny reo e, courage dada mpandositra adidi an, courage se, fa mbola misy 10 taona eo sisa de moudy se, mdr

  5. Ireo fahavalon’ny tolona no mampiady, fa ireo tena mpitolona dia miezaka mandrakariva hitady ny firaisan-kina na misy aza ny tsy fitovian-kevitra.
    Ireo fahavalon’ny tolona, dia ireo mpamadika, dia avy eo indray dia misisika miverina mba hanakorontanana avy ao anatiny indray fa efa akaiky ny fandresena, koa mila mitandrina isika.

  6. Ny mitera-doza eto @ firenena zao dia ny fanohanana ilay olona naika ho endasina!!
    Zao hono miaraka indray! de le robinson naporisiana tsy ita tsony de …
    Mino fotsiny ihany e!!

  7. Za koa aloha efa ela no tsy mahatoky izay Tananews fa sady mpandainga
    no FOZA noho ny FOZA , hita mihintsy hoe VOAVIDY.
    Efa miala any ny mpitsara VAHINY hijery akaiky ny zavamisy izay mbola mitady hailika @ dada
    mba hanamborana azy @ FIVERENANY .Manao azy tsy ho tratry ny aloka mantsy ireto FOZA fa
    miseho manam-bola ka VIDINA DAHOLO NY MARINA nefa mba volan’iza MOA ???an-dray sa
    RENINY fa tsy VOLAM-BAHOAKA,MAHONENA!!!
    Efa manomana ny fodiany milamina Dada mba tsy hisy HISANDOKA HANAMBOTRA2 eo ireto alika
    tsisy fehy vozona isany.
    Homba anao lalandava Andriamanitra ry dada Malala!Andriamanitra tsy manary ny olony izany e!
    Manam-petra kosa ny asan’ny satana.

  8. tohizo ny tolona raha mahazoto nareo,fa zay aloa mbola sahirina mitady vola ,rehefa misy fanampiana ao magro na fizarana vola dia tonga ihany zay mihaino kambary.Tena mahonena ty firenena ity fa ny omby avy no alefa any china sy vietnam ny bois de rose tsy lazaina intsony sady sans pitié ry kely maso ,ze azo alaina ao mada aloa dia alaina avoako satria olona @milliard ry zareo no vokisana any asia.Ny vidiny hena omby nefa lafo de lafo ny kilao eto toerana ,betsaka ny gasy tsy maha vidy. Ny vary tsy lazaina intsony tonne maro alefa aty avelany,ny fangalarana omby eny faritra ny nosy tsy lazaina intsony,tena potika tanteraka ilay nosy gasik’art marina,tena diso mahay be loatra le gasy.Mijaly ny mahantra ,vary sy omby tokony tsy hazo avaoka any ivelany nefa ny ao an-toerana aza tsy ampy sady lafo,tokony mba hahena ny vidiny @tena mora indrindra; zavatra afa no amidy any asia.

  9. Rafamine!

    Marina fa ny tsy fisiana mahazaka maniraka ary efa nisy anie toromarika nandritra izay dimy taona izay nomen’i Marc Ravalomanana fa tsy narahina ka dia eto izao isika mianakavy samy tsy mahalala izay lalana hitondran’i Hery antsika.
    Fa ny tena atahorako dia ireo Sinoa ireo no ho avy hitrandraka ny solintanintsika ka izay vao tena tsy hahazo tombony mihintsy isika fa ho voaozona.
    Ary tsara ampahatsiahivana amin’i Hery foana fa olombitsy no mihinana ny vola azo amin’ny bois de rose ka tokony hatsahatra.

  10. « …tsy mahalala an’izay lalana hitondran’i Hery antsika » ??

    Ilay « hery » aza jamba tsy mahafantatra an’izay lalana tiany na tokony ho raisina !

    Fantatrareo ireo « mpanoro lalana » ! Rahatoa ka mahiratra ilay Hery tamin’ny tenany sady ministra no PCA-n’ny Air Mad, tsy ho tahak’izao ny zava-manjoa an’ny JIRAMA sy ilay orin’asa nosahaniny !

    JIRAMA : 2 000 milliards de dettes
    AIR MAD : Ny bilan 2012 tsy tafavoaka, dia TSY MAINTSY NATAMBATRA tamin’y 2013 izay mbola tsy nivoaka ihany koa !

    Ireo aloha no anisan’ny fantatra sy nisongadina, amin’ny maha ministry ny fitatànam-bola ny tenany ! Ny resaka fanondranana volamena nandritry ny 2013 izay hoe 0 grama, araky ny filazan’ny mpanao statistika, dia tsy asiana resaka !

    Dia izao zavatra mahamenatra tahak’izao koa no hitan’ny rehetra :

    Tananews

    [« Pendant votre « propagadande », vous nous avez promis 5 millions Ariary d’indemnités de carburant et pourtant aujourd’hui nous ne percevons que 500 000 Ariary », s’est indigné Jean-Jacques Rabenirina de la « PMP »..]
    ….
    De son côté, Lalao Rahantanirina du MAPAR, a déploré l’attitude des députés membres de la PMP. Elle regrette que « la valeur et l’étique » de la Chambre basse soient souillées et foulées de la sorte.]

    http://www.tananews.com/2014/04/tsimbazaza-les-deputes-demandent-des-comptes-a-christine-razanamahasoa/

    – Hay va re ! Ireo PMP aza izany dia notambazanina vola amin’na miliô ?
    – Dia mba « valeur sy éthique » inona hono izato mba resahan’ity foza MAPAR ? Tsy fantany angaha fa na dia io hoe MAPAR IO AZA DIA TSY ARA-DALÀNA ? Izany ve no mba olona hanankihinana ny « fanaovan-dalàna » sy hoe hitantana ny Firenena ?

    Mba mahafantatra depiote maromaro ihany izahay, saingy tsy manana fomba fisainana tahak’izany ! Eny ê, « tsy gasy » izy ireo !

  11. Mdr !! Diso tsipelina ny « propagande », azony lasa tany amin’ny « propos de bande » ny saina, sady manoratra ihany !

  12. Mailo ! Mailo ! Misy aretin-dratsy tena mamindra avy any atsimo any ! Izao ilay izy toa tonga ao Tsimbazaza !

    Hita tao amin’ny gazety Tia Tanindrazana. Vokatry ny krizy : Mitombo isa ireo marary saina !

    Vokatry ny asa nataon’ilay fikambanana tsy miankina hoe RTM ( Reggio Terzo Mondo ) izany, ary tany amin’ny faritra Amoron’i Mania no nanaovan’azy !

    Voan’izany aretina izany koa ve ilay olona namoaka an’izao teny izao, ary hita tao amin’ny Tananews androany ?

    « Quand des personnes élues par le plus grand nombre ne conviennent pas à certains, ils cherchent à le destituer » !

    Adinon’ilay olona ny nilaza hoe :

    « ..et à les traduire devant la justice quand bien même qu’elles soient innocentes, comme je l’ai fait du temps où j’étais ministre au sein d’un régime putschiste » !

  13. « les » destituer no tokony ho izy, fa tsy « le » !
    Ny « le » fa tsy « la », fantatrareo aiza no misy azy amin’izao fotoana izao !

  14. joeshawn findramam-bola COMPANY
        Izany no iray fanta-daza bola orinasa
    Etazonia Amerika, dia efa nanampy
        Vahoaka an’arivony avy amin’ny firenena samy hafa.
    Ity orinasa mivarotra amin’ny banky ny taonjato Amerika,
    No tadiavinao findramam-bola amin’ny raharaham-barotra? Bola, trosa
        Fanamafisana bola, Unsecured bola, Venture renivohitra,
        Sns Na efa nandà-bola avy amin’ny banky na
    Voafitaky ny tsy Niaiky toy ny amin’ny findramam-bola antso
        Company? . Lenders tsy miankina izahay, raharaham-barotra fampindramam-bola
        Ary ny olona amin’ny taha ambany dia ambany ny 2% ary hanome ny antsika
    Mpanjifa ny mailaka tsara indrindra ao amin’ny joeshawnfinance@gmail.com

  15. Affaires Claudine et Antsakabary : “Laissez les enquêtes se dérouler librement”, selon le P.R.M
    Autrement dit : » Laissez mes affaires tranquilles, je fais comme je veux »

  16. Emission le Rendez-vous du président: Hery Rajaonarimampianina appelle à la démission des responsables incompétents.
    Mais QUI EST le Premier Responsable INCOMPETENT ??????
    Bien sûr c’est ce semblant de President de la Republique !!!!!!

  17. Des ETRANGERS amoureux de Madagascar ? Il y en a, c’est sûr, mais la plupart….amoureux de l’or,et de toutes les richesses de Madagascar: en premier les Chinois et les Karana.

  18. Fa inona indray ity tadiavin’ny Tsy misy saina hanafatra Migrants syriens ity ???
    Tena olona vendrana sy efa entin’ny maoly . Ahoana koa ireto miaramila manao politika manohana an’i Rainy-T.. ireto? dia mahazo grady Jeneraly ?,,,,

  19. Ny Frantsay no mamporisika azy manao izao havendranana izao . Satria kely loha dia atao daholo izay tambitambim-bazaha izao.

  20. Il faut etre rajaonarimampianina pour lancer un projet d’accueil pour les migrants syriens. Quelles « noceries » , la pire de ces infinies « noceries »
    et l’autre qui va mettre 3 mois pour juguler l’insecurité ? : il ne va faire que des « noceries »- tuer des innocents- et emprisonner illegalement des jeunes filles pour en faire des objets sexuels……….

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *