TSY HAKA FITONDRANA AMIN’NY FOMBA TSY MENDRIKA ISIKA

fenoNitohy teny amin’ny kianjan’ny finoana Behoririka androany ny hetsiky ny mpomba ny movansa Ravalomanana rehefa nitsahatra noho ny alatsianin’ny pantekosta omaly. Nisy hatrany ny lahateny nifandimbiasana nataon’ireo mpitarika tonga eny an-toerana. Anisan’ny nandray fitenenana tamin’izany Ignace Randriamamiarizafy. Nitondrany fanazavana ny amin’ny hoe mpanohitra. Ny fijeriko azy dia tsy mpanohitra fa mpifaninana no ilazana azy. Rehefa mpifaninana dia mitovy ny tanjona fa ny fanatanterahana azy no samihafa. Ireo olona ireo na izay natao sesitany any ivelany , n any gadra politika dia nitondra ny heviny hifaninana hampandroso an’I Madagasikara , ka raha fifaninanana hampandroso no hampidirana azy any amponja dia ampy izay. Misy foana ny mpanohitra sy ny tsy fitoviankevitra n any mpiara miasa aminao aza mety tsy hitovy hevitra aminao. Izahay mangataka sy miangavy aminao Andriamatoa filoha, avoahy ny gadra politika, fa ny tsy fitoviankevitra no mety hahatsara zavatra. Misy antony ny nahatonga ireny olona ireny nanao ireny. Raha tena marina ny voalazan’ny gazety androany fa tsy misy Notam intsony dia tsara izany. Io no fomba nanankanana azy tsy hody satria raharaha politika ilay izy dia fifanarahana politika no atao ka miankina amin’ny filoha Hery izany. Aoka hanana risipo ny ato amin’ny movansa hihavanana fa mandresy isika raha mihavana.

Tsy misy mihitsy ny fitoniana politika hoy Feno raha tsy milamina ny tany. Rah a ireny zavatra hitantsika tato ato ireny dia hitantsika hoe iza no mivoy an’ireny. Nilaza ny radio mpomba an-dRajoelina ny antoandro teo  raha niresaka ny fanadiadiana ny manamboninahitra iray teny fiadanana fa miaramilan’ny mpomba ny filoha Ravalomanana io. Taiza no hahafahany milaza izany. Isika nefa teto tamin’ny Sabotsy nilaza ny fampihavanana tamin’I Coutiti izay tsy nandray azy ho fahavalao politika. Ny fanadiadiana politika amin’izao dia tsy tony atodika amin’ny filoha Ravalomanana. Satria ve efa akaiky ny fodiany dia lazaina indray izany. Tsy fombantsika ny mampiasa hery toy ny any Syrie. Ny filoha Ravalomanana dia tsy mpandatsa-drà olona. Izy tsy eto antanidnrazana nefa nanaiky nanao fifidianana. Dikany dia tsy haka fitondrana amin’ny fomba tsy mendrika izy.

22 pensées sur “TSY HAKA FITONDRANA AMIN’NY FOMBA TSY MENDRIKA ISIKA”

  1. Nifaninana tamin’iza ary mba hanao inona tamin’iza, ny Jeneraly Raoelina sy ireo Namany ??
    Aza ahodikodina ny resaka ry zalahy fa izany anie no maha ketraka ny olona ê !

    Nanao ny asany ny ilay jeneraly, ary na izy tenany na ny Filoha Ravalomanana dia tsy nisy nanome baiko an’ilay miaramila nanao tifitra TAMIN’NY TANY. Nanatontosa ny asany fotsiny koa io miaramila io, ary ireo izay tokony mba hanampy azy aza nandositra fotsiny !

    Nisy dia nisy ny fanonganam-panjakàna, ary izao tontolo izao no niaiky fa tsy azo lavina ny fisian’izany, fa dia tena marina ; ny tena mampalahelo aza dia maro ireo mpiray tanindrazana natao sorona ka namoy ny ainy.

    Olona nanao ny asany indray no nalefa any am-ponja, fa ireo nahavita heloka be vava indray no nidigin-drambo, nandray fitondràna.

    Tsy nisy fanakianina sy fitoriana, fa dia nanaiky sy niara-nisaosy tamin’ireo fahavalom-bahoaka aza no natao.

    Dia izao indray lasa resaka fifaninanana no hitondràn’azy, mba hanafenana ny tsy fahombiazana, na koa fiaraha-komana !

    Mbola mijery foana ny site-n’ny HUMAN RIGHT WATCH sy ny LIGUE INTERNATIONAL DES DROITS DE L’HOMME foana izahay. Miandry an’izany fitiavan-tanindrazana sy fiarovam-bahoaka avy any aminareo izahay !

    Nanaiky an’ilay fifidianana ny Filoha Ravalomanana satria tsy afa-manaotra !

    Nanaiky an’ilay tondrozotra izy tamin’ny farany satria nanantena fa handray ny andraikiny sy hanatanterak’izany ireo mpiara-dia aminy !

    Hitan-tsika tsara izao fa tsy nisy bainga nivadika na dia iray aza ! Toa natao mafy tototra indray aza ilay tany, ary tsy mba dama no nalaina nitotoin’azy fa silandra mihintsy ( rouleau compresseur hoy ireo vahiny, nantsoina hanao izany )!

    Tsy misy ny fitoniana politika raha tsy milamina ny tany ! NY TANY TSY HILAMINA RAHOVIANA RAHATOA KA TSY MISY MANAJA NY LALÀNA ARY SAMY MANAO IZAY TIANY NY REHETRA !

    IZAY ILAY ATAO HOE FANJAKAN’NY BAROA !

  2. Aoka hazava fa NOTERENA ANKOLAKA DADA MBA HANAIKY ILAY FIFIDIANANA,
    Ohatry ilay sonia ihany io e! noterena izy hoe  » mety amimtsika io ! » TSIVALAHARA!!
    hay mety aminy ilay izy.
    Tsy musy ny NOTAM fa aiza ny passeport ???lasa boloky ohatra an’ilay filohany dra4- iny
    daholo ireto mpikabary sisa sa???MAHONENA!!!
    Tsisy manaiky an’io ho FILOHA izany mihintsy aloha hatreto an! tsisy nifidy an’io teo an!!
    azafady tompoko!!!TSA METY a! MBA SANATRIAVO TOMPOKO!!!

  3. Mba jereo kely izao fandrosoan’i Rwanda izao ry zareo. Tena henjana e! Tao anatin’ny 20 taona latsaka monja no nahavitan’-dry zareo izao miaraka @ paul Kagame.
    Sady i Paul Kagamé raha teo olona mailo, mahay miaro ny fitondrany, mifehy ny tafika ary tsy manaiky aongan’ireo frantsay ireo mora fotsiny.

    Efa tena be fialonana tanteraka ny frantsay sy ny fotsy hoditra sasany mahita izao fandrosoan’i Rwanda izao ka efa manovokovoka hanakorontana indray sy hitondra génocide manaraka miaraka @ coup d’état fa tsy mahavoa an’i Paul kagamé e!

    http://www.youtube.com/watch?v=RAN3BHjvdvQ

    http://www.youtube.com/watch?v=7iUez0Grf7Q

    http://www.youtube.com/watch?v=cDpXljDNgMQ

  4. inaoa mihitsy ry kintana manandrambo no olona botolo ny mpanohitra no nohazavaiana fa amianao tsy mifaninana samy ho mpitondra ve no nisy teto ry jenerly te ho mpitondra koa de nifaninana naka fahefana izy fa raha nanohitra andrajoelina izy ireo de tena niady sy nifampitifitra eran’nyt tanana ny mifanohitra amiko rajoky de tsy mitovy na ny tanjona na ny tiakatao aho ohtra izaho te hianatsimo nifanohitra amiko ianao raha te hianavaratra izaho tsy te ho mpitondra fan jakana ny mifanohitra ami’izay de te ho mpitondra fa raha samy te ho mpitondra de mitovy ny tanjony fa ny fomba anatanterhany azy sy atongavany eo no samy hafa de mpifaninana izy izany na ny olona dodnto aza rangahy mahatakatra izany fda ianao manampahaizana io indray no misary adala eto ary ianao tsy mahita afatsy ny manaratsy sy mikritika ny hafa fa tsy manakevitra mihitsy samy te hitoondra an’i madagasikara i Hery sy robinson de inona izao no nifanoherany teo fa ny tactque nampiasainy no samy hafa de lany hery samy te hitondra an’i madagasikara tamin’ny faonganapanjakana na i Rajoelina na ry jenaraly raoelina fa ny tetika nampiasaina no samy hafa de ndresy sy nety an’i rajoelina fa tsy nahomby ny andry jeneraly raoelina io Rangahy tahaka ny miazakazaka manao 4oo m ah misy tonga aloha misy miala andaharana misy torana aza fa inona no nifanoherany tao ny tanjony tokana ihany samy te ho voalohany fa ny tactique sy tanjaka no samy hafa fade mpifaninana izy toy izany koa amiko ny politika mpifanina no ao fa tsy mpifanbohitra fa ny anao LOHA FRANTSAY nampianatra antsika ho MPANOHITRA de io Lasa mifankahala fahatany sy mifanagadra io efa aheno ve ianao hoe ny rtepublicain de opposant ny democrate any Etats unis challenger no iantsoanya zy mpifaninana . Ary rehefa mifabnina de misy zavatra tsara vita satria mifanina samy te ho voalohany de samy manao zavatra tsara fa rehefa MPANOHITRA ARAKA NY FIHEVITRAO AZEY de ilay mpanohitra manakorotana ny mpitondra ary ny mpitondra managadra sy mangeja ilay mpanohitra de io manjo antsika io ny vokadratsiny tsy misy raharaha vanona fa mihemodava ny firenena mbol

  5. Mpifaninana hoe ????

    Ny iray na roa tsy maintsy vesàrana vy be milanja zato kilao avy ny tongony roa, dia ny ny sasany avela miazakazaka amin’izao ? Tssssssss !!! Aiza re izany ê ?

    Tsy nitondra ny Firenena tany amin’ny lanitra faha-fito angaha ny tetikadin’ny foza, dia ny mirediredy sisa no atao ê ?

    Toe-javatra tahak’izao no notadiavinareo « tsy bontolo » !

    – Ilay « atidohany » moa dia niteny tamin’ny 2001, fa hisy ny rà mandriak rahatoa ka tsy lany izy ! Dia nisy tokoa moa izany avy eo !
    – 2008 : Nilaza tamin’ireo namany ilay saribakoly fa araky ny fangatahan’ireo « namany » dia tsy maintsy atao izay hialàn’ilay Filoha eo amin’ny fitondràna, ary ho ampiasaina atramin’ny poizina rahatoa ka ilaina izany ( Misimisy ihany ny vavolombelona tamin’izany resaka izany ) !

    Tsssssss ! Tsy ampy ny rà mandriaka ho sotroina ?? Saika ho ataonareo tsaky-rà angaha ireny olona kilan’ny afo tao Analakely ireny ???

    http://www.lemonde.fr/proche-orient/article/2014/06/10/le-gouvernement-irakien-perd-le-controle-de-mossoul_4435203_3218.html

  6. Ireto aloha no tsy maintsy atao:

    Manara-dalàna aloha
    Miray hina ireo mitady ny hiverenan’ny ara-dalàna
    Manaja ny fototra sy ny vahoaka
    Mitaky ny fahafahana eo amin’ny ara-serasera.
    Mitandrina ny fifanarahana

  7. 111 JUIN 2014
    AH BON ? JE NE SAVAIS PAS !
    La françafrique-ce qui en reste- et les agents du qai d’Orsay qui mènent les actions d’ingérences,qui ressemblent à s’y méprendre aux intrventions directes aux affaires intenes de Madagascar sont les supp^ts des auteurs du coup d’état et des hommes qui ont commis ce coup d’état de prè ou de loin et quidirigent le pouvoir actuel !
    Mais ils disposent d’un réseau animé par des malgaches qui militent dans la nébuleuse de ceux qui prétendent être légalistes qui sont contre
    la Politique générale du Président RAVALOMANANA MARC et du Parti TIM et ce kitana midingin-drambo est le plus prolixe de cette nébleuse et le plus prompt à vilipender,à dénigrer , à sousestimer tous les proches du Président RAVALOMANANA MARC !Ce réseau effectue la même mission assumée par le padesm contre le MDRM : dire le plus possible du mal sur le TIM ,contrecarrer les propos ,les gestes , les actions du TIM au profit de la Population !Ses propos sont éloquents et trahissent la noirceur ,la vanité du fond de sa pensée :c’est un individu envieux ,frustré ,bête et méchant…et probablement jaloux ce pseuo-intelectuel ! Il se demande et se dit qu’avec  » ses qualités intrinsèques « pourqoui il n’est pas désigné comme député ,comme ministre ?
    Docteur CELESTIN ROBIN
    Paris

    « 

  8. Ianao no tena tsy mamokatra sy be fialonana raselestà, ary tena naniry mafy mba ho ministry ny fahasalamàna mihintsy angamba !

    Efa hatry ny ela aho no niteny fa, ny fitsaboan-tena no tokony ataonao tsara aloha, izay vao miresaka paolitika !

    Tsy dinika sy resaka mahakasika ny hoavin’ny firenena no ataonao ato, fa fanenjehana an’ireo TIM nitsipak’anao tamin’ny fito na valo taona lasa !

    Tsy manana « constance au niveau des idées » amin’izay lazaina fa toy ny telo-miova ; miovaova loko isan’andro izao ! Ny zavatra lazaina androany, mifanohitra amin’izay efa nolazaina na ho lazaina ny ampitso.

    Ianao no tena fatra-panenjika an’ireo izay mbola hanànan’ny Filoha Ravalomanana toky.

    Midika izany fa tsy maharaka n’inona n’inona ianao raselestà ! Raha tahak’anao daholo ny olona, tsy mahagaga hoy aho raha any anaty lavaka tahak’izao ny firenena !

    Ratsimilaho,

    Ho fanampin’ireo voalazanao :

    Fanajàn’ny mpitondra ny zoan’ny vahoaka !

  9. Ny vahoaka tsy hanongam-panjakàna tahaky ny nataon’ny foza !

    Fa itony ry zareo mpikabary ao amin’ny magro ao, dia tokony mba dinihinareo akaiky :

    Prisonniers politiques Ignorés par le nouveau régime

    ….

    « Les partisans de l’ancien chef d’Etat ne sauront sans doute pas se fier indéfiniment à un régime qui ne répond pas à leurs aspirations ».

    http://www.lanation.mg/article.php?id=11846

    Tao anatin’io lahan-tsoratra io ihany ary mahakasika ny jeneraly Raoelina :

    « Celui-ci a été condamné à pérpétuité pour les évènements du 7 février 2009, quand la justice et le régime HAT ont préféré fermer les yeux sur les dizaines de pages du rapport qu’il a élaboré dès 2009 sur cette affaire ».

    Fantatrareo ny zava-marina sy ny fisian’izany « rapport » izany, maninona no mbola any am-ponja ireo lazaina fa gadra paolitika ireo ? Ilay nitonon-tena hoe ministry ny fitsaràna aza efa nilao-bava fa « ministra tao anatin’ny governemanta tsy ara-dalàna ny tenany ».

    Io raharaha io ihany koa no nanameloana ny Filoha Ravalomanana, tena niaro azy arak’izay tokony ho izy ve ireo mpitarika avy ao amin’ny fierehana mitondra ny anaran’ny Filoha ?

    Efa tsara raha niaiky Ingahy Botozaza fa tsy nahavita n’inona n’inona nandritr’izay dimy taona izay, fa ny antony rehetra no tian’ny vahoaka ho fantatra !

    Filazàna ny marina sy izay ho ataonareo, fanazavàna ny toe-draharaha no andrasan’ny vahoaka fa tsy resaka fifaninanana izany.

  10. Mahaiza miaina rey olona à ! hita tokoa amin’izao fotoana izao fa na hoe : ho mpanohitra aza dia mila C.V. – mampihomehy be à ! rehefa manohitra dia manohitra fa tsy mila an’izany manoratra anarana izany – tsy azoko ilay izy sa rehefa mpanohitra koa dia mahazo karama ? inona rey izany é ! tena tsy azoko re tompoko ô!

  11. Izao koa aloha no hitanay ry RAOZY â !

    http://www.tananews.com/asides/guy-rivo-randrianarisoa-la-mouvance-ravalomanana-nest-plus/

    Hay va re ka efa maty hatry ny ela ny movansa ravalomanana ê ? Hisy famadihana izany atsy ho atsy, sa efa vita koa ?

    Niosanosana tamin’ny vary be menaka izany ny mpamadika ; ny aponga sy mpitsoka mozika tsy ferana !

    Ny mahagaga dia ny MAPAR tsy ara-dalàna indray ity no mahazo vahana, raha izay voasoratra rehetra tao anatin’ilay tondrozotra no lalinina.

    Ny movansa Ravalomanana indray ity no dangy, tsy misy mpitsetra araky ny hiran’i Besa !

    Dia mba ahoana hoy ry zalahy Teza sy Mfm amin’izao ? Ho aiza koa ireo avy ao amin’ny Zanak’i Dada ? Hirenireny ?

  12. ,
    11 JUIN 2014
    « APPLIQUEZ ICI ET MAINTENANT LE TRAITE INTERNATIONAL QU’EST LA FEUILLE DE ROUTE INTEGRALE !  »
    Depuis un moment ,l’élargissement des prisonniers politiques , la réouverture des antennes des radio-télés , le retour de Monsieur e Président de la République RAVALOMANANA MARC au Pays ont été les principeles révendications de tous ceus qui écrivent et de tous ceux qui s’écoutent parler…!
    Ils ne peuvent pas ignorer que ces trois révendications font parti intégrante et rreprésentent même les principaux objectifs de la Loi-Feuille de route que , avec la complicité de chissano la France ,l’Union Africaine ?l’union Européenne ont torpillée et remplacée sans aucun scrupule par des élections ,que ces Pays et Groupe de Pays ont avec une fausse autorité imposés aux Malgaches ,qui s ont accepté de s exécuter sans la participation de la Mouvance RAVALOMNANA MARC après l’invalidation ostraciste de LA CANDIDATURE OSTRACISTE de NENY RAVALOMANANANA LALAO : le but non avoué des organisateurs qui ont prescrit ces élections a été d’éliminer toute candidature des membres de la Famille RAVALOMANANA MARC !
    Après l’ultime dénonciation de cette volonté d’élimination des candidatures des RAVALOMANANA pour ne pas participer à ces élections le Président RAVALOMANANA MARC a éxigé une explication et une réparation : lors d’une réunion spéciale de la Troika /Sadc à Namibie , la Troika a reconnu « sa faute » et a proposé une solution qui ne satisfait l’éxigence du Président RAVALOMANANA MARC , mais permet à la Mouvane RAVALOMANANANA MARC de particper d’abord aux élections présidentielles.
    Je me permets de faire remarquer que « cette volonté  » délminer la Mouvance RAVALOMANANA MARC de participer directement aux élections constitue un grave contentieux qui pèse sur la validité des résultats des élections qui, par ailleurs ,ont été faussés par des manipulations des opérations électorales..!Et les résultats ont été abracadabrants et inacceptables !
    Tout contentieux doit être explicité et ne doit pas resté en l’état et tel que connaissons notre Cher Président RAVALOMANANA MARC , il a certainement esté ( porté plainte ) au moins pour demander les raisons pour lesquelles la LOI- FEUILLE DE ROUTE N ‘A PAS ETE APPLIQUEE AVANT D’ORGANISER LES ELECTIONS ?
    Et ceux qui réclament à co et à cri la satisfactin des trois révendications citées ci-dessus doivent savoir qu’elles dépendent de l’application de cette LOI – FEUILLE DE ROUTE !
    Pour résoudre tous les problèmes économiques , sociaux , politiques qui pénalisent la vie au quotidien des Malgaches , cette loi – feuille de route integrale doit etre appliquée ici et maintenant par la Troika /Sadc qui a été désignée par La cmmunauté Internationale et l4union Africaine!
    Et à propos de la non application de ce traité international qu’est la feuile route intégrale ayant pour objectif la mise en place à antananarivo de la Transition consensuelle , inclusive qui a comme mission d’organiser les élections !
    Les Malgaches sont en pleine vacance du Pouvoir et en pleine desttructuration et désorgation du vivre ensemble (ordre public et sécurité des biens et des personnes ne sont plus assurés malgré les gesticulations des gendarmes
    Le pseudo-président qui a été placé là après les faux résultats des élections non démocratiques et n’ayant pas respecté les dispostions de l’article du Droit humain, inventent des excursions ,des visites ici et là pour donner le change d’exister et pour faire semblant qu’il se préoccupe des problçmes cuisants des Malgaches !
    Docteur CELESTIN ROBIN
    Paris

  13. DCR!

    Je reste convaincu que Robinson n’aurait pas fait mieux s’il était élu.
    Par ailleurs, on sait pour le compte de qui Chissano a travaillé. Je ne crois pas que l’Union Européenne a délibérément fustigé la feuille de route. Baroso et Louis Michel ont œuvré pour le retour de l’ordre constitutionnel mais a-t-on suivi les instructions de Marc Ravalomanana qui dépendait de l’UE et des USA.C’est la grande question.Je ne parle pas de l’UA car elle n’écoutait que Chissano.

  14. satria ianareo ireo tsy misy aty madagasikara akory kay de mirediredy eto mionona fotsiny amin’izay soratan’ny gazety sy internet eto io ry manandrambo sy dr celestin sy rozy a ny mpanao gazety sy internety gasy aty izay tiany sy mafiharitra ny sainy soratany TONGAVA aty de mahita ny marina ianao ramandrambo kitana tongava mikabary ao amin’ny magro fa tsy any andafy any no manaratsy sy mitatata ary tsy misy ampianarinao izay fomba itondrana ny tolona ao eto. matoa io kabarin’ny mpitarika ao de izya no marina sy misy aty dimy taona izao ireo no niaritra tao fa ianao io mba efa nandalo tao de nikabary sy nanentana tao ve tsy mbola hitako fa izaho tao anatin’izay dimy taona izay 4jours /7 par semaine farafahakeliny tao nahita sy nandre izay nambara tao nahita ny fahasarihanan’ ireo mpitarika na ny mpitolona tsotra tao fa ianao taiza de aiza fa eto no manaratsy sy mikritika heritrereto tsara e tsy manaka nao ho taia nadravalomanan sy ny TIM akory izany
    ho an’i ROZY sy Manandrabo kitana(hihhiii hhahha) mbola velona tsara ny movansy ravalomanana aty antanindrazana fa ianareo angamba no anaovana famadihana sy vary be menaka atsy ho atsy fa ny movansy haka fanjakana manomboka amin’ny fifidianana maire regional ary senatorial de ho hitanareo eo iza no maty sy avadika na ny movansy ravalomanana na ianareo ireo

  15. Tsy hitatata intsony izahay fa izao vao tena hitanay fa nety tsara ny tolona nataonareo tao, nandritr’izay dimy taona izay ê ! Tokony nataonareo 7/7 aza izany fa tsy 4/7 j fotsiny !

    Mety tsy mahafantatra n’inona n’inona izahay, any ka dia manaraka sy mino an’izay lainga lazain’ny mpanao gazety, fa ny fantatray fotsiny dia ny zavatra ataonareo tsy mandeha amin’izay tokony ho izy.

    [Tous les dirigeants de la Mouvance Ravalomanana qui est « appelé à disparaître après l’aboutissement du processus de réconciliation » étaient présents à Faravohitra.]

    Vaovao nivoakan’ny Midi androany io !

    Fanontaniana : Fa angaha tsy ny Minisiteran’ny Atitany indray no nilaza fa efa maty ny Movansa ? Hay va re ny tompony mihintsy no hamono azy satria vita ny adidy sy andraikitra nankihinina taminy ê ?

    Ndao aza izato izy, fa ianareo koa efa vonona ny handray anjara amin’izay fifidianana ho karakaraina ny namanareo !

    Dia ho zarainareo firy hono izato renivohitra ? Ny namanareo ao amin’ny Magro anefa nilaza fa tsy hanaiky an’izany fizarazaràna izany !!

    « Pourquoi faire simple, quand on peut faire compliqué » marina !

    Tonga ny andro tsara aty aminay, ary hanomboka koa ity ny baolina kitra any Brezily, koa noho izany dia aoka indray ho taritin’izay mazoto ny tolona !

    Araho tsara ny toromarika rehetra homen’ny dokotera mpitsabo !

    Rehefa niresaka dokotera ihany : Efa mba sitrana sy tafatsangana ve hono, ilay saika namono tena ?
    Mba mety mahazo valiny alohan’ny alahady ve, satria ny alatsinainy izahay no handray fiaramanidina hijery baolina ?

    Hafatra ho an’ny tia tanindrazana. Asa izay fomba fahitanareo an’ity raharaha na loza mahazo an’ny vahoaka malagasy ity fa dia ny fantatro aloha dia izao, satria zanaka mpivarotra voatabia sy voasary teo Analakely ny tena.

    Rehefa misy hitanay fa lò, dia tsy maintsy esorina fa manimba ny namany !

    Amin’ny resaka paolitika indray dia toa tsy maintsy afangaro ny ratsy sy ny tsara. Koa inona marina no nitolomana nandritr’izay dimy taona izay ê ?

    Tokony navela tamin’ireo mpanongam-panjakàna ny fitantànana ny Firenena, satria na ity hoe Tetezamita ity aza dia tena namotika ny zava-drehetra !

    Mahay sy tia tanindrazana daholo, koa samia manao izay tiany ê ! Handeha hikarakara dia iny izahay ! Hiarahan-tsika mahita eo izay hiafaràn’ny tantara !

  16. KM

    j’avais connu un député malgache qui avait démissionné…du temps de Tsiranana (si tu me téléphones je te dirais qui et dans quelle circonscription…)

  17. de mba nitatata taiza ringahy ianao kintana misy rambo tany amin’,y magro sa tany amin’ny gzety sa taiza teto madagasikara ndana mijery baolina de soavadia . minisitra iza tao amin’ny atitany ringahy no nilza fa maty ny movasy ravalomanana fa izahay aty tsy nahita ary tsy nadre izany? io . tao amin’ny Magro tsy nisy nilaza fa tsy manaiky ny fizarana anantananarivo tsotra no nava

  18. tsotra no vgaliny nomen’ny tao na zarainareo io na tsia de lasan’ny movansy ravalo amn’ny fifidiananan ben ny tananana .
    fa ianareo zany no tsara sa ialy lo sa ianareo no ilay andriamanitra manasaraka ny ratsy sy ny tsara ka any andanitra( lafrantsa sy any ivelanyany no mitatata) de miova ny eto madagasikara oh. hafakely ka
    tsy nanaitsaka ny magro na indray maraina tsy voahenjika tsy nihinana lacrymogene izao migeste ho any bresil hijery bolina de milaza fa tena nitolona sy nitatata mampihomehy ihany an sao de ianao io ary ilay zatra mpijapy masinina sy mpanao sakaizan,’ny mpandresy fa tsy nitolona na de indray maraina aza
    ityy vaoavao be omeko anao atao tsy ho ela ny convention itambaran(ny entité rehetra tao anatin’ny TIM mba ho iray ihany izy rehetra ka asa na mahita lo sy tsara miaraka ao indray ianao Ramanadrambo de esory ialy lo raha mahasahy ary ndana tatatao aty télé sy radio ary gazety miseho aty madagasikara fa tsuyy eto amin’ity web ity
    misaotra de bonne voyage any birezilina e mahazoa coupe u monde e fa ny Gasy CAN aza mbola tsy afany e

  19. nasondrty radio viva angaha ny karaman’i DEnise/nadia/koto/gona

    mille dames pipe en une seule personnhe

    Reraka misolo anarina..fa dia mivaingana LOL!

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *