Mbs : Hametraka fitoriana

joelNanantanteraka valandresaka ho an’ny mpanao  gazety tetsy amin’ny trano fiasana tetsy Faravohitra io maraina io ny talen’ny famoahana eo anivon’ny orinasan-tserasera mbs. Nambaran’i Joel Ralaivahita fa manameloka tanteraka ny fanelingelenana (brouillage) izay atao amin’ity onjampeo ity izy ireo. « Aoka tsy atao hoe ny Filoha Ravalomanana akory no nanorina ity haino amanjery ity dia hanaovana antsonjay toy izao , fa mba jereo ireo olona maro tsy an’asa tokony hiasa ao » hoy izy. Nilaza mihitsy ireo mpiasa fa hametraka fitoriana izy ireo. Tokony hajaina ny fahalalahana amin’ny fanehoankevitra ho an’ny rehetra fa tsy hasiana sivana amin’ny endriny ankolaka, be ireo fahita lavitra sy radio avela hisokatra fa maninona ny mbs no helingelenina? hoy hatrany Joel.

 

3 pensées sur “Mbs : Hametraka fitoriana”

  1. Ary ny Omby alefa any La Reunion – Comores ?
    Ary ny volamena MITOSAKA any amin’ny Arabo-Karana-Sinoa ?
    Afa tsy ny arena ambanin’ny tany : Terres rares- Petrole- Vatosoa ?
    Mbola manginy fotsiny ireo !!!
    Tena dondrona tokoa ka !
    Ny sasany mahavita mamono HAVAN- na koa MIVAROTRA ZANAKA,
    ny Mpitandro Filaminana manao ny ankizivavy ho makorelina, ny ANTI-DAHY VAZAHA mividy ny tanora ,
    Tsy dondrona intsony fa VENDRANA, miharitra an’izao. Fa na tamin’ny Andron’ny Fanjanahana aza mbola tsy nisy izao.

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *