ANTOKO TIM : NANATITRA FEHEZAM-BONINKAZO TENY AMBOHIJATOVO

OLYMPUS DIGITAL CAMERA

Rehefa avy teny amin’ny Magro behoririka ireo mpitarika avy amin’ny antoko TIM dia nihazo teny Ambohijatovo. Nanatitra fehezam-boninkazo teo amin’ny tsangambato manamarika ny tolona 29 Martsa 1947. Tonga teny an-toerana nanatitra izany ny filoha lefitry ny Antenimierampirenena Me Hanitra Razafimanantsoa, ny loholona Olga Ramalason, sy ireo depiote sasan-tsasany sy ireo mpitarika tolona etsy amin’ny Magro. Tao anaty filaminana no nanantontosan’izy ireo izany.

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *