Nisokatra ny « MBS » : Magro Behoririka Serasera

Niverina namonjy ny kianjan’ny Magro Behoririka indray ny vahoaka mpomba ny filoha Ravalomanana rehefa nijanona ny hetsika teny an-toerana nandritra ny roa taona. Vory lanona ireo vahoaka marobe nanoina ny antso amin’ny fanantevenana ny hetsika. Tonga teny an-toerana ihany koa ireo mpitarika izay nahitana ny loholona Ramalason Olga, Razafimandimby Zafilahy, Raveloson Constant, Manoela, Feno sns.

Toy ny fanao mahazatra rehefa hanomboka hetsika ny mpomba ny filoha Ravalomanana dia ny fotoam-bavaka no hisantarana izany. Taorian’izay dia niroso tamin’ireo lahateny samihafa nataon’ireo mpitarika.

Ny tenako hoy Raveloson Constant tsy Tim, tsy mpiasan’ny Mbs kanefa tonga eto ary fantatro koa ianareo fa mitovy amiko.Rehefa tsy mihaino Mbs ianareo rehefa mody eto dia boka. Ny raharaha Mbs hoy izy dia tsy raharahan’ny antoko fa raharahan’I Madagasikara. Misy rariny tampenam-bava eto, misy rariny tampenambava manerana an’I Madagasikara hatrany Betroka ka hatrany Antsakabary. Mila Mbs isika.Ny tsirairay avy dia tokony ho Mbs. Ny mamerina ny Mbs dia tsy ampahafirin’ny namerina ny filoha Ravalomanana. Tadidinareo ilay hena an-tanantsaka teto Antananarivo. Aiza izao ny hena an-tanantsaka ary ny saka aza niporitsaka. Miova io tantara io rehefa mijoro ianareo. Aiza ho aiza izao ilay hoe anay ny tetezamita.Tsy io ki-communication io na manampy aza ny tale kabinetrany, ka na lehibe aza ny vatolampy rehefa tsy miteny hipetrahany sasany. Ahona no mahasarotina antsika min’ny Mbs. Na ny 29 Mars aza dia ilana Mbs.tsy misy manaiky tsy hiteny izany eto na fahefana natao ho an’ny mpanao barofo na mpanohitra manao barofo.Rehefa barofo dia ianao no hanamparany izany. Any Atsimo dia mila Mbs, ny kolikoly dia mila Mbs. Aza adinoina fa tsy vitan’ny filoha Ravalomanana ireny na Tim irery fa ianareo mijoro dia mbola Mbs. Fahalalahana lehibe ity ka tsy misalasala izahay mijoro eto. Avereno ny Radioanay, ny televizionanay.Tsy vitan’izany ihany fa izahay koa miara tompony ao amin’ny radionasionaly. Izay no fiantsoana volaohany ho antsika, amin’ny AlAROBIA ISIKA ETO.

Tsara tsindriana amintsika hoy Zafilahy fa misy miteny hoe io indray ny filoha Ravalomanana fa hanakorontana. Diso izany. Tany Arivonimamo ny filoha Ravalomanana dia niteny fa mangataka ny filankevimpanjakana, efa any aminareo ny antotataratasy rehetra momba ny Mbs ka sokafy. Maninona efa roa taona tsy sokafana ny Mbs. Araraotinay eto fa tsy I dada no naniraka anay fa izahay tsy mahita fa tsy rariny. Lotoina foana iny rangahy iny kanefa tsy mahatahitra anay izany. Efa latskaa ankaterena ny vahoaka Malagasy satria efa ho 800 ariary ny kapoaka ny vary.Tsy hitsangatsangana ny filoha Ravalomanana any ivelany any fa mitady ny mahaso any vahoaka Malagasy mba tsy ohatra izao no ahazo ny vahoaka Malagasy(…) Raha naheno ny tenin’ilay rangahy teny Antanimbarinandriana hoe tokony hanao fotodrafitrasa isika.Aza sakantsakanana  I Neny amin’ny fampandrosoana ny tanana. Momba ny fitsarambahoaka dia nambarany fa diso ny filazana fa avy amin’ny miaramila avy amin’ny mpanao politika io, rehefa tonga ny propangady dia milaza isika fa omena iry nefa rehefa lany tsy tanterahana ny lafiny fandriampahalemana.Fady amin’ny razantsika izany mandatsandrà izany.Ity toerana ity no hitakiantsika ny hamoahan’ny filankevimpanjakana ny Mbs. Rehefa mandray andraikitra ampilaminana ireo dia misokatra ny Mbs Isaky ny sabotsy isika dia eto ny mihaona ary ny 29 marsa dia eto no fotoana.

2 pensées sur “Nisokatra ny « MBS » : Magro Behoririka Serasera”

  1. Bonjour,
    Nous souhaiterions avoir le contact des commerciaux de Magro ainsi que les prix des produits de Magro,

    Merci,

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *