26 JONA TSY MISY F.A.T: DINGANA I
Efa nilaza teto izahay fa mbola mitohy ny tolona, ary ny volana mai dia efa nitondran’ny FAT takaitra. Ny tanjontsika dia ny 26 jona tsy misy FAT.
Mampiasa ny habibiana ny FAT nisambotra sy namono ireo mpanao politika, mpanao gazety, mpitondra fivavahana ary ireo mpanohana ny ara-dalàna. Tsy manana saina entina hiady firy ireto FAT ireo fa irery daroka hoan’any Tonton Ambroise sy ny pasitera valiso ireny no hainy, ary ny fisamborana sns… Fa ny misaina aorianany dia ny Frantsay.
Nihetsika tokoa ny Malagasy na ny teto an-toerana na ny tany ivelany. Satria mantsy ny 29 mai ka hatramin’ny 31 mai lasa teo dia natao tany Nice-Frantsa ny fivoriana tampony France-Afrique. Nitolona tokoa ny Malagasy any ivelany mba tsy ahafahn’ ilay tranon-dainga mpamono olona iny hanatrika izany, nilaza mantsy ity zazakely ity fa voninahitra ho azy sy hoam’ny Madagasikara, hono, ny fahatongavany any. Tsy nanaiky ny SADC, satria raha misy solon-tenan’ny HAT tonga any dia tsy ho avy ry zareo. Nanaiky tsy sazoka ilay frantsay mpanjanaka. Ary tsy vitan’izany fa tonga tany @io fivoriana io koa ny GTT na ny Gasy Tia Tanindrazana nampisehony ny tsy fankasitrahny ny tetika maizin’ny frantsay ka sady fisehoana an-dalambe no natao, no nisy horonan-tsary mitondra ny loha-teny hoe : «Ny fahataperan’ny fahantrana » izay namely ny frantsay tokoa, ary narahina adi-hevitra izany. Nisy koa valan-dresaka nataon’ny tompon’andraikitry ny GTT t@ ireo olomana-kaja samy hafa. Tao koa ny fiarahana t@ ireo rahalahy sy anabavy afrikanina izay mbola gejain’ny frantsay. Tena teo tokoa ny Malagasy niady ary resy ny frantsay sy ny FAT, satria tsy voaasa tao ilay tranon-dainga ka saika handefa mpamono olona roa, dia i camille vital sy maxime zafera, fa tsy mbola nekena ihany. Ary teny an-toerana koa ny GTT nanao fihetsiketsehena. Resy teo ilay dondrobelona mpampijaly Malagasy sady mpandainga.
Manarak’izany dia nihevitra ny hanao ity atao hoe : « dialogue national » ny FAT teto Madagasikara, ny 28, 29, ary 30 mai lasa, teo, fa mbola nitolona ihany koa ny vahoaka ary nametraka mazava t@ fianakaviambe iraisam-pirenena fa fandaniam-bola sy hevi-maizina fotsiny io ka tsy ilay. Voatery indray ny FAT ka tsy tanteraka izany.
Aoka ho fantantsika Malagasy fa matoa ny FAT manao izao herisetra izao dia mba hanakonany ny fahareseny tany Nice, sady tsy voa-asa no mbola nanaovan’ny GTT fihetsiketsehana ary tsy nahatanteraka koa ilay fivorian-jiolahy , ilay « dialogue national » dia resy teo ny FAT sady afa-baraka dia ny fampihorohoroana no atao mba tsy ahitan’ny vahoaka izany faharesena izany
Izay ny dingana voalohany, hianjeran’ny FAT ny dingana manaraka indray dia, ny hitranga manomboka ania ka hatramin’ny 15 jona fa hanome ny saziny ny vpondrona eoropeana,dia hanao habibiana indray izany ny FAT ka dia mailo isika rehetra, ary @ 10 Jona izao dia handalo any Genève momba ny fanajana ny zon’olombelona ny FAT. Ka tsy maitnsy sady ho afa-baraka no ho voasazy ka aleo aho fantatry ny rehetra. Dia ho avy @ ny Prétoria II izany handevenana ity FAT ity. Takonana mantsy ny fanomezam-baovao mba tsy ahafantaran’ny olona fa afa-baraka sy voasazy ny ny FAT ary resy alohan’ny 26 Jona.
Mitady koa mantsy ny FAT hisambotra ny commadant Roger-Luc fa namelaka tehamaina miaramila, dia maty ilay miaramila… dia hoe ilay tehamaina hono no nahafaty azy, hay ve ka kely endanka ohatr'izany itony mpitambasy itony e.
MIRODANA ALOHAN’NY 26 JONA NY FAT