Tsy mahomby hatreto ny legalistes, herintaona mahery izay mbola io ihany izy io. Rehefa tsy mahita fika hafa tsy aleo ve faranana @zay ilay tolona?
Aoka izay lay tolona fa mandany andro fotsiny
(10 messages) (6 voix)-
Posté il y a 2 années #
-
Zavatra hafa ry paoly resahana a! Ohatra hoe ampio tosika ny fitondrana tohananao fa tsy tafa mihitsy ny fitantanany ny raharaham-pirenena.Fitondrana natsangana tamin'ny hery io noho izany tsy maintsy hery ihany koa no manala azy teo.Hany ka saro-tahotra ry zalà raha vao misy mandrahona fotsiny satria kely say toy ny alika .Efa tapitra nalahanao daholo ireo forum maro eto ary efa ela no nanakivianao ny legaliste fa tsy nahomby aloha hatramin'izao ilay tetika.
Posté il y a 2 années # -
Bilboquet
Mitovy ihany isika satria samy mitety forum manala azy, ka ny tiako tenenina aminao dia: Herintaona tsy nahomby dia tokony manova tetika hafa indray fa tsy tafavoaka ilay hetsika natao hatramin'izay. Hevitra no arosoko anao fa tsy fanakiviana akory, fantatrao angaha ny tena ato andohako.Raha ny pubn'ity site ity dia misokatra ho an'ny rehetra sady mba miaina tsara ity forum ity raha samy ao anatiny y samihafa firehana sy fiaviana sns.
Aza tonga diamitsaratsara fahatany fa sao dia ny namanao ihany no anaovanao antsojay.
Posté il y a 2 années # -
Amiko rehefa mitady hevitra hafa hialana amin'ny firaisankina de heveriko ho toy ny mpanakivy sy mpanatsatso! Ny vahoaka de tsy manana hery hafa ankoatran'io firaisankina io ka raha mbola mazoto izy de aza tsatsoina amin'ny hoe "herintaona izay mbola tsy mahomby ihany".
Ity no teniko aminao : Anontanio io fitondrana fat io hatramin'ny rahoviana izy no hijanona eo fa mitovy amin'izay fotoana hijanony eo koa no hijoroan'ny vahoaka na ho dimampolo taona aza!Posté il y a 2 années # -
Tsy hifarana ny tolona raha tsy miverina ny fitondrana ara-dalàna azo avy amin'ny fahamarinan'ny latsabato ka afahan'ny rehetra milatsaka. Ny rehetra tiana lazaina eto dia olona manana zom-pirenena malagasy, tia ny tanindrazany ary tsy nandromba ny fahefana tamin'ny alalan'ny coup d'état.
Ny an'i Paoly tsy maninona raha faranany hatreto ny tolony, ny anay kosa mitohy araka ny lazain'i Bilboquet. Tsy kivy, tsy sasatra izahay satria ny tena fahaleovantena sy ny fiandrianampirenena no tanjonay ho an'i Madagasikara ka ny filoha Ravalomanana ihany no fantatray fa mahavita izany aloha.
Mirary soa e!Posté il y a 2 années # -
i Paoly aloha dia hita mihintsy hoe paoly tokoa. Tsy efa notetezinao nilazaina io izany ny forum rehetra? Mino mihintsy aho. Fa ny vahoaka tsy mila izany lazanao izany fa ny tolona vitaina hatramin'ny farany no fantatrin'ny vahoaka.
Raha nitady toerana ny vahoaka dia efa rava efa ela io tolona io, fa ny aradàana no ilain'ny vahoaka no mahatonga azy hitolona isan'andro.
Na i barakobama aza tsy hanana olona hitolona ankalamanjana toy izao mandritrin'ny herinataona mahery. Ny zanak'i dada ihany no mahavita izao amin'ny maha zanak'i dada azy.Posté il y a 2 années # -
Raha tsy maha omby ny tolona koa maninona no voasazy ianareo ?
1) Maninona no mikorotana ?
2) Ary maninona no mbola tafajoro foana izahay na dia henjehina aza ?
3) Ary fa maninona no tsy maharesy lahatra ny any ivelany sy ny eto anatiny ny HAT sy ny forogony.Iza no hianjera atsy ho atsy ny HT sa ny tolonan'ny mpitaky ny ara-dalana ? Izahay anie ka sady tohanan'ny vahoaka no tohan'ny firaisambe iraisam-pirenena. Izanreo kosa sady miady an-trano no tsy manan-kevitra afatsy ny fampijaliana olona.
Posté il y a 2 années # -
Marina io voalazanao io ry Lazalazao. Manàna faharetana fa tolona ity ary ady aminy fajanahan-tsaina ny taranaka
Posté il y a 2 années # -
Dernière Minute : Le Colonel Charles serait détenu pour une tentative de coup d'Etat avortée ce dimanche
Posté il y a 2 années # -
Enga anie ka ho marina izany. Dia asaivo samboriny koa lylison, ramaroson, ratsirahonana, konto nandra sanina, rehefa foza é
Posté il y a 2 années #
Ecrire une réponse
Vous devez être connecté pour poster.