NY “MALAGASY” SY NY POLITIKA 2/2
Nagalatra volabe ny filoha hividianana ny air force one, hoy andry rajoelina. Dia hoy ary ry zareo hoe hamidy ny air force one ary ho zaraina @ Malagasy ny vola azo @ izany.
Efa nilaza mazava ny tompon’andraikatra teo aloha fo nohon’ny filana ny fivezivezen’ny filoha eran’izao tontonloizao @ fitadiavam-bola hoan’ny Malgasy dia nilazaina izy io fa tsy mety ny maka ny air madagascar izay hampiasan’ny mpandeha. Ankoatry ny fialonana izay mamelona an’I Rajoelina sy ny namany dia tsy nanaiky izany mihitsy ry zareo. Inona anefa ny zava-misy: nampiasa an-keriny ny air-mad I Rajoelina ka nanodikodina ny fiaramanidina makany Paris ho any Dakar. Maty antoka mafy ny orinasa Air mad ary ny mpandeha tsy afaka nampiasa ny sidina ara-dalana. Nony hitany fa tsy nety izany dia nanofa jet-privee-ana Karana izy ka izany no netiny namonjy ireny fivoriana tany Maputo sy Addis Abeba ary Pretoria ireny. Arahina olona maro izy ireny ary handaniana volabe tokoa. Tahakan’ny nandaniany volabe tany Paris t@ tsingeritaona-naterahiny. I Andry Rajoelina io.. I Paris moa dia toerana faleha satria tena miharihary toy ny vay an-kandrina ny fanampian’ny frantsay azy.Ny filoha Nicolas Sarkozy moa dia fantatra fa mpifindra-monina avy any Hongrie tonga tany Frantsa, ary malaza tsy tia vahiny avy any afrika. Nilaza ity filoha ity fa ny fividianana ilay air force one II dia fandaniam-bola satria 160 millions d’euros no vidiny. Izao anefa ity filoha ity dia nividy raoplanina manokana ho azy izay mitentina 180 millions d’euros. Ary ny antony nomeny dia mitovy ny naroson’ny filoha Ravalomanana hoe: hatao fitadiavam-bola hoan’ny firenena. Izay manana saina tia mandinika dia ahatsapa fa hay kilalao fotsiny ilay andry rajoelina, nampiasaina hanakorotanana an’i Madagasikara. Porofo izany fa mbola voazanaka isika ary tsy misy intsony ny sonagaly mahazo baiko fa gasy kely mahazo baiko izao. Hatakalo vola ny tanindrazana satria feno loatra ny fitiavan-tena.
No kianina mafy koa ny filoha Ravalomanana fa nanampi-bava tao @ RNM sy ny TVM, kanefa nohon’ny tonga ny FAT dia nodorany ny RNM sy ny TVM ary ny MBS dia nakatony ny radio mada sy ny radio fahazavana ary nalefany tanyam-ponja ny mpanao gazety. Izay zavatra tsy nisy mihitsy teo @ fitondrana Ravalomanana. Manizingizina anefa ny FAT sy ny mpanohana azy fa misy fahalalahana ny mpanao gazety eto Madagasikara. Nefa dia herisetra , horohro ary fandrahonana no betsaka, atao @ mpanao gazety. Ary ny antony hanakianana azy ireo dia foro-poronina fotsiny fa tsy mahamenatra intsony ny miteniteny foana satria jamban’ny habadoana sy ny fahefana.
Nolazaina ihany koa fa nanao ampihimamba ny filoha Ravalomanana t@ vokatry ny tantsaha. Nefa ny tantsaha indrindra no nahazo tombony t@ asa nataon’ny TIKO. Fa ireo tsy mahay mitantana ka resy t@ fifaninana toy ny savonnerie tropicale, dia nahiliny tany @ politika ny tsy fahaizany, nefa orinasa efa nisy hatrizay ry zareo fa tsy nivoatra mihitsy. Ankehitriny dia manakana ireo vokatra vahiny tsy ho tonga eto ny savonnerie tropicale. Sakanana ohatra ny “citron plus” avy any @ Nosy Maurice. Ny frantsay ohatra mbola tena nibahana eo @ sehatry ny vola, ny banky, ny fiarakodia, ny solitany sns.. fa aleo nanenjika ilay malagsy satria toe-tsaina voazanaka ka ny vazaha atao hoe : “oui monsieur”, ary ny Malgasy kosa ringanina satria nahazo vola kely avy tany @ mpaniraka dia ilay lafrantsa mpibaiko an’i andry rajoelina.
Jery todika ihany ity satria taitra ny tena naheno fa tsy misy olana hono eto Madagasika, ary tsy nisy niady. Nofinofy fotsiny mantsy ireo maty, sy maratra ary gadra sy very asa an-jatony maro. Eny hoy aho ramalagasy, atakalozy vola ny tanindrazanao , ary tiavo mafy ny tenanao. Fa vola avy @ famadihana tanindrazana sy avy @ mpanjakana ireny. Ilay fitiavan-tanindrazana dia nofy , 114 antoko politika milaza ho tia tanindrazana nefa toa tsy mahita izay ahasoa ny firenena akory, be tsy handraofana.
RAHA TODI-PATY AZA MANODY FA RAHA TODI-PITIVANTANINDRAZANA MANODIAVA.