RY VAHOAKA MALAGASY HIHETSIKA SA TSY HIHETSIKA ?
Efa fahoriana mihamafy hatrany ny fiaina’ny Malagasy eto an-tanindrazana, fa izay tsy voahorohoro dia samborina, izay maneho hevitra mitady ny rariny dia haripaka, izay voa-tondro molotra dia mifarana any am-pigadrana.
Nohon’ny tsy fisian’ny fankatoavana iraisam-pirenena dia mikatona daholo ny loharanom-bola hanodinana ny fiainam-pirenena ka raha tsy mahita asa ianao na very asa dia noho izany. Raha miha-lafo ny vidin-javatra ary mitombo ny jiolahy dia no izany tsy fisian’ny loharanom-bola izany daholo.
Ny mpianatra any Antsiranana ohatra dia tonga dia notifirina, ny sivily teny Fort Duchesne koa.Iza no tompon’andraikitra @ ireny faty olona ireny ? Dia matimaty foana ireny olona ireny fa tsy misy lalàna manasazy ny nahavita ireny heloka ireny ?
Toa vonoina fotsiny ny olona, dia tsy mba misy arakaraka fa dia izay maty hitoman’ny havany ary hifalian’ny FAT. Izany tokoa ve no atao hoe fitondrana FAT ?
Ry Malagasy, very asa ianao ? Notsinotsinoavana ianao ? Hampitahorina lava ianao ? AMPY IZAY, fa raha mbola Malagasy koa dia aoka mba ho olom-pierenena manana adidy @ tanindrazana.
Tonga ny fotoana, hijoro isika, ary hanao izay tandrifintsika isika. Ity ny sioka tokana ho antsika. Hihazakazaka ny raharaham-pirenena. Mila antsika vahoaka miray hina sy mijoro ary hanohina izao SIOKA TOKANA izao. Ho fantsika mora foana hoe iza no tokony ho tohanatsika. Satria ny mandrodana io fitondrana nangalarina sy mpamono olona io no tanjona
Mahatokisa ry vahoaka fa ity no ady farany, ary tsy hihemotra isika satria fotoan’ny fanalàna ny mpanimba tanindrazana izao. Ho ekentsika ve ho averina @ fanjanahatany frantsay indray i Madagasikara ? Izany hoe hanompo ny frantsay sy hanome azy ny harena Malagasy, miaraka @ ireo olom-bitsy mpamadika tanindrazany dia ny FAT sy ireo miaramila momba azy izany.
Koa hilazàna isika Malagasy manerana ny Nosy, esory ireo FAT misy any aminareo. Hoan’ny eto Antananarivo dia efa miniana izahay ny hamongotra io FAT io ka miantso antsika Vahoaka hamaly ny antso. Raha vao miseho ny hetsika dia mandraisa anjara avokoa manaova izay tandrify anntsika tsirairay avy.
Manao antso ihany koa anareo tafika fiandry hanome tanana raha vao tonga ny fangatahana anareo, efa akaiky ny fandresentsika. Antso avo hoan’ny Kung Fu mba hijoro sy hanampy ny vahoaka tahakan’ny anatra efa natolotry ny Grand Maitre- Pierre Be, tany aloha.
TSY ADIDIKO IZAHO IRERY FA ADIDIKO IZAHO SY IANAREO