-Mpikabary voalohany: Miantso ny vahoaka ho tonga marobe @ izay ho eny ankianja foana isanandro, ary miantso ihany koa ireo mpitarika ny ankolafy 3 tonta hidina eny ankianja ihany koa @ izay miaraka @ ireo LEHIBEN’NY ANDRIMPANJAKANA t@ satan’i Maputo sy ny tohiny fa efa ho faranana @ izay ny tolona alohan’ny 26 jona.
-Mpikabary faharoa: Hametraka fitoriana an’i alain ramarosaona sy richard baomba noho ny vono olona sy halatra nataon’izy ireo.
-Mpikabary faha3: Tao @ Imm. Fiaro varavarana faha 23; miady ny volabe ho karamany ireo mpikambana @ ilay hoe hanao dinika nasiônaly. Maro ny volambahoaka angalarin’ny FAT, nanala baraka ny nataon’i mialy rajohell tany @ Faritra Atsimo Atsinanana raha nitondra fanampiana vokatry ny rivodoza izy, ary dia efa mifanentana ny vahoaka any fa: FADIO FADIO FADIO NY TGV fa olona tsisy fanahy sady mpamono olona no mpangalatra no tsy mahalala fomba. ARY NY TENA GOAVANA DIA IZAO: Ao @ Nosy Maurice no hamahana ny olana tsy ho ela. Izany hoe hiainga avy ao ny dinika iarahana @ UA+SADC+GIC sns ary dia mitohy @ tokony ho tohiny.
-Mpikabary farany: Efa hilatsaka ny sazy omen’ny U.E ny fitondran-jiolahy FAT, ary mety hanaraka izany i frantsa. Tsy maintsy miala i tgv saribakoly, hanao fety 26 jona tsy misy FAT intsony i Madagasikara. Tsy maintsy tonga eto Madagasikara alohan’ny 26 jona ny FILOHA VOAFIDIM-BAHOAKA 2 LAHY DIA I RATSIRAKA DIDIER SY RAVALOMANANA MARC. Noho izany dia ilaina ny fahatongavan’ny vahoaka maro eny ankianja manomboka izao, ary ireo mpitarika rehetra koa dia efa tokony ho tonga eny. Ilaina ny tanora lahy sy vavy rehetra mba hanao fiambenana hitandro ny filaminana @ fahatongavan’ireo Filoha 2 lahy ireo. AOKA SAMY HIFAMPILAZA KA HITAONA NY OLONA HO ENY ANKIANJA MANOMBOKA IZAO.
Mbola nisy maro fa ireo aloha no zaraiko.
Raha nataoko ny fandinihina dia izao: HIsy dinika ho ataon’ny GIC ao Maurice (ary mety handray anjara @ izany i frantsa), ary rehefa vita io dinika io dia HIARAKA HIDITRA ETO MADAGASIKARA IZY IREO KA HANATITRA IREO FILOHA ROA LAHY IREO ETO MADAGASIKARA NY U.A SY SADC ARY NY GIC.
Efa azo antoka tanteraka izany vaovao izany, hoy hatrany ny mpikabary ary tsy ho ela dia hanao FETY BE ny vahoaka Malagasy. Ireo mpisandoka nandritra ny 1 taona sy tapany kosa dia ho atolotra ny fitsarana.
PS: Marobe ny vahoaka nahita an’i tgv tao @ Maso Ivohon’i Algérie anio maraina, ary ny pôlisy 1 dia nanamarina izany satria niambina teny. Mipetraka ny fanontaniako: Noho ny sazy ho ampiharin’ny U.E ny jiolahin’ny FAT ve dia tsy afaka handray an’i tgv i frantsa rehefa handositra izy??????? Ny U.A koa anie efa nandatsaka sazy ho an’ny FAT e! koa inona no hangatahan’i tgv vonjy @ i Algérie. Fa ny tena nahagaga ahy t@ io mantsy dia izao; tokony ho ny Maso Ivoho no mankany @ i tgv jiolahy, fa maninona no izy no nadady nankany @ Maso Ivoho???? TENA MARINA IO VAOVAO OMEKO ETO IO SATRIA MAROBE NY NAHITA MASO IZANY. Ny Maso Ivohon’i Algérie dia eo akaikin’ny Magro Behoririka no misy azy.
Tatitr'i Manjaka Vahoaka